Politique

Rava ny MAPAR Niala i Rolly Mercia


  • Alakamisy 05 Novambra 2015

Efa akaiky ho rendrika ny sambon’ny MAPAR koa dia niala mialoha i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia. Nametra-pialana tsy ho filoha lefitry ny Mapar any Mahajanga nanomboka ny talata hariva teo ny tenany,

 


 

 niala tsy ho mpanara-maso ny fahitalavitra Viva manerana ny nosy ary nametra-pialana amin’ny maha tale jeneralin’ny « Groupe de presse » Sodiat azy ihany koa. Samy notsipahany avokoa izany eto i Andry Rajoelina filoha mpanorina ny Mapar sy tompon’ny orinasa Viva sy Mamy Ravatomanga tompon’ny Groupe Sodiat. Tsy fifankahazoana sy tsy fitoviam-pijery intsony amin’ny fomba fiasa no antony nialako, hoy i Rolly Mercia satria mila miasa malalaka aho ary tsy mety amiko ny fanandevozana arak’asa. Anisan’ireo tanan-kavanan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha anefa ary tena nanampy sy nanohana azy nanomboka tamin’ny 2008 i Harry Laurent Rahajason izay efa talen’ny seraseran’ny fiadidiana ny repoblika ary minisitry ny serasera. Raha ny filazany aloha hatreto dia tsy hanao gazety intsony ary tsy hanao politika i Rolly Mercia. Na izany aza, tsy fitoviam-pijery politika no nisintahany tsy hiaraka amin’ny Mapar sy i Mamy Ravatomanga tompon’ny Groupe Sodiat izay olona tena akaiky an’i Andry Rajoelina ihany koa. Raha toa ka efa somary misabaka Rtoa Christine Razanamahasoa ary efa nihaona mihitsy tamin’ny filoham-pirenena, diao io fa nandao ny Mapar koa Harry Laurent Rahajason, ka zara raha ireo mpanao politika tsy dia mankaiza sisa izany no tavela ao.Mety hamadika palitao ary ve  atsy ho atsy i Rolly Mercia ka hiova lasy sy fianakaviana politika ? Ny taona efa somary mandroso ary tsy amin’izao tokoa, araka ny teniny no hiverina hanao gazety. Ho avy ato ho ato koa anefa ny fananganana ny Antenimierandoholona ka lasa ihany ny saina hoe : mety ho kandida ve sa ho ao anatin’ireo mety hotendren’ny filoha ingahy Rolly Mercia ? Efa iaraha-mahalala ihany mantsy ny fomba fanaovana politika eto amintsika.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT