Rava ny governemanta Vital
Misokatra ho an’ny Ankolafy telo i Mahazoarivo
Nametra-pialana ny lehibeny, ny Jeneraly Camille Vital ary dia tapitra niaraka tamin’izay ihany koa ny asan’ny governemanta andiany faharoa notarihiny, hatramin’ny 26 martsa 2011. Midika avy hatrany izany fa misokatra ny fifaninanana.
Efa samy nanao ny hafetsifetsena sy ny fandangolangoana ny mpanao politika avokoa aloha tato ho ato izay manana eritreritra ny hitondra an’izany. Isan’ireny ny Jeneraly Camille Vital izay miady mafy mba hiverenana amin’io sezan’i Mahazoarivo io. Efa im-betsaka izy tato ho ato no nanasa mpanao politika tany aminy. Lazaina fa “consultation”, raha araka ny tsiliantsofina heno, saingy raha jerena amin’ny endrika politika dia kajikajy entina hiverenana eny amin’ny lapa izany rehetra izany. Tsy izy irery rahateo no manao an’io fikafika mahazatra io.
Ry Monja Roindefo, izay mandeha ihany koa ny feo fa tokony ho tsara toerana ao anatin’ny fifaninanana, dia efa ela no nikendry an’i Mahazoarivo ka manao pi-maso amin’ireo mpitarika antoko. Tsy hifanomezan-tsiny izany satria ady seza io. Na izany aza anefa dia manana ny kajikajiny ihany koa ny Ankolafy telo izay nihaona teny amin’ny “Villa Elisabeth” Ivandry omaly. Raha ny fanazavan’i Tabera Randriamanantsoa dia anarana iray no hatolotry ny Ankolafy telo. Malalaka ho an’ireto farany rahateo ny lalana mihazo ny Lapan’i Mahazoarivo, na dia misisika ho “Centristes” avokoa indray aza ireo vondrona politika ivelan’ny UDR-C sy TGV, ary milaza fa hanolotra kandida praiminisitra, raha ny filazan-dry Ralison Roger (HPM). Manana eritreritra amin’izany koa ny Les AS tarihin’i Voninahitsy.
Ny soratra mitoetra
Ny teny anefa mandalo fa ny soratra mitoetra. Nisy fifanarahana vita sonia, nifanaovan’ny Dina Repoblikanina sy ny Ankolafy telo teny amin’ny tranon’ny Antenimierandoholona Analamahitsy ny 12 septambra 2011, milaza mavaza ao amin’ny andininy voalohany fa avy amin’ny Ankolafy telo ny praiminisitra lehiben’ny governemantan’ny firaisam-pirenena. Nanao sonia izany fifanarahana izany tamin’ny anaran’ny Arema ingahy Robson Jean Victor, Voninahitsy Jean Eugène (Les AS), Ramasy Adolphe (Escopol), Manantsoa Victor (HPM), Razafimahefa Monfort (Ankolafy Ratsiraka), Miandrisoa Marcel (Ankolafy Zafy), Ravatomanga sy Mamy Raotoarivelo (Ankolafy Ravalomanana) ary Razafindehibe Nathalie (UAMAD/Monima).
Natolotra ny iraky ny Troika io taratasy io, nandritra ny fihaonana teny amin’ny Le Paon d’Or tamin’ny septambra 2011. Ka mametra-panontaniana ihany hoe misy mitady hivadika amin’ny sonia nataony sahady ve rehefa raikitra ny ho fanendrena praiminisitra ? Aiza ilay fahamendrehana politika sy fahamarinana ao anatin’izany ? Na izany na tsy izany aloha dia manomboka anio ka mandra-piandry izay ho lehiben’ny governemanta eo dia ireo Sekretera Jeneraly no hitantana ny raharaha eo anivon’ny ministera. Ny praiminisitra kosa dia Ambohitsorohitra no hitantana vonjimaika an’izany. Manomboka ny hazakazaka ary hotsarain’ny karatra eo Rajoelina amin’izay mety ho fanarahany ny tondrozotra avy amin’ny alalan’ny fanendreny izay ho praiminisitra eo.
Ny alin’io fametraham-pialan’ny Praiminisitra Camille Vital sy ny faharavan’ny governemanta notarihiny io ihany moa i Andry Rajoelina dia nanao fanambarana manoritsoritra izay heveriny ho endrikendrik’izay ho Praiminisitry ny marimaritra iraisana eo. “Mendrika, vonona hamarana ny tetezamita ka hitondra any amin’ny fifidianana. Olona afaka hifehy ny fandriampahalemana, mahay mandresy lahatra ny mpamatsy vola, ary afaka mamerina haingana ny fitokisan’izy ireo. Izay ho praiminisitra eo koa, aminy, dia olona afaka mifehy ny fahasahiranam-bahoaka sy ny ara-tsosialy ary azon’ny vahoaka ametrahana fitokisana ary matahotra an’Andriamanitra”. Rehefa izay dia namoaka tetiandro i Andry Rajoelina, omaly, fa dia rahampitso alarobia 19 oktobra tontolo andro no andrasana ao Ambohitsorohitra ny tolo-kevitra ho amin’izay olona hotendrena Praiminisitra eo, ka ny vondron’antoko nanao sonia ny tondrozotra dia afaka manolotra anarana telo isanisany. Tampoka ihany io fanambaran’i Andry Rajoelina io.
Tsy voasoratra anatin’ilay sori-dalana rahateo ny zava-boalazany, na ny tetiandro io na ny famerana ny isan’ny olona hotendrena. Omaly hariva ihany ny ankolafy Ravalomanana dia nilaza fa tsy voafatotr’ireo fepetra notanisain’i Andry Rajoelina ireo. Raha ny fantatra rahateo dia hisy ny famoriana ireo mpanao sonia ny tondrozotra eny amin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo anio maraina, miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny birao fifandraisan’ny SADC eto, izay ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo, Mokgheti Monaisa, no mitarika vojimaika azy. Amin’io no hanomezana ny dika farany ilay zavatra nosoniavina tao amin’ny Colbert ny alin’ny zoma 14 oktobra iny. Lasa aloha ihany, araka izany, iny fanambaran’i Andry Rajoelina iny, raha tsy hoe efa manana zavatra masaka any izy hotanterahina na inona na inona fitrangan-javatra eo.
Samy sy Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.