Voatetin’ny kandidŕ laharana faha-12 avy amin’ny FFF ao Antananarivo faha-4 avokoa ireo fokontany miisa 32 ao amin’ity Boriborintany ity nandritra ny fampielezan-kevitra efa vita izay.
Mitarika ny lisitra amin’izany Ratsimandresy Joseph Andriatiana. Nifanerasera mivantana sy nihaino ny hetahetan'ny vahoaka ny kandidà. Anisan’ny tena olana ho an’ny mponina ao Antananarivo faha-4 ny tsy fahampian'ny rano fisotro madio, ny faharatsian'ny lalankely, ny tsy fisian'ny jiro ka mahatonga ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahampian'ny toeram-pidiovana. Ireo hetahetan'ny vahoaka dia nifanandrify indrindra amin'ny laharampahamehan'ny antoko FFF izay antoko hiasa hampanjaka ny fahamarinana, handany ny lalàna mifanaraka amin'ny tombontsoan'ny vahoaka. Nambarany hatrany tamin’ny propagandy izay nataony fa ny fametrahana ny fitokisana aminy no antoka iray hampandresena ny hetahetan'ny vahoaka ao Antananarivo faha-4.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.