Ratrema William

> Hampandany an’i Robinson Jean Louis


  • Alatsinainy 09 Desambra 2013

Sesilany ny fanohanana ny kandida Robinson Jean Louis amin’ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa.

Tsy vitsy amin’izy ireny ireo kandida tamin’ny fihodinana voalohany izay manao tohivakana ny fanambarana fanohanana. Taorian-dry Saraha Georget, Camille Vital, Noelson William, Rajemison Rakotomaharo dia Ratrema William indray no manaraka. Taorian’ny fakana ny hevitr’ireo mpikambana manerana ny Nosy dia nilaza ny vovonana PATRAM-GAM izay nanolotra ny mpampianatra mpanabe Ratrema William tamin’ny fihodinana voalohany fa mifanakaiky ny vinam-piarahamonin’ireo kandida roa ireo momba ny famerenana ny hasin’ny Maha Malagasy sy ny fihavanana ka izay no maharesy lahatra azy amin’izao fanohanana izao. Miantso ny olom-pirenena rehetra tsy hanary zo koa ny PATRAM-GAM amin’ny alalan’ny fanefany ny adidiny amin’ny 20 desambra izao. Marihina fa efa nandray anjara tamin’ny fampielezan-kevitra notontosain’ny Kandida Robinson Jean Louis tany Antsirabe ny sabotsy 1 desambra ny Talen’ny fampielezan-kevitr’i William Ratrema.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT