Nampifanindran-dalana ny fanaovana fampielezan-kevitra sy ny fampiofanana an’ireo delegem-pifidianana hisolotena azy isaky ny biraom-pifidianana eny amin’ny Fokontany 44 ao amin’ny Boriborintany voalohany ny kandidà depiote Ratovonandrasana Irène.
In-droa miantoana no nanatanterahany izany noho ny fidadasik’ity Boriborintany ity ka ny sabotsy teo teny Andohatapenaka ary ny faharoa dia teny Antohomadinika ho an’ireo Fokontany mifanakaikikaiky aminy. Azo antoka ny traikefa azon’ireto delegenay ireto, hoy ny kandidà Irène, ka tsy hisy hikaviavia sy hanao hadisoana intsony izy ireo ary ny tena azo antoka dia ho voaara-maso tanteraka ny fizotry ny fifidianana sy ny fanisam-bato eny amin’ity Boriborintany voalohany. Marihina fa nandritra ireo andro roa farany ireo dia nitohy ny fidinana ifotony ka nanoloran’ity kandidà ity aron’akanjo sy koveta fanasan-damba teny amin’ireo toeram-panasan-damba nandalovany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.