Ratolojanahary Maharavo na Doudou

«Misy olana be tsy tenenina eto»


  • Alakamisy 21 Martsa 2024

Tamin’ny fotoana nampijoroana ilay vovonana FFKM sy PAN ny 17 novambra 2023

tany ho any dia nanodidina ny 900 ny isan’ireo hery politika na «entité» namaly ireny antso ireny, hoy ny talen’ny kabinetran’ny filohan’ny antenimieram-pirenena na PAN, Ratolojanahary Maharavo, na Doudou. Ireny olona ireny, hoy izy, dia nangataka ny hevitry ny PAN manokana foana hoe hanao ahoana ity toe-draharaha ity? Andao hiarahaba anao izay, hoy ry zareo ao amin’ny FIZAFAFI, BAM, Faribolan’ny tavaratra sy ny maro! Maniry hiarahaba azy tratry ny taona ireny olona rehetra ireny fa maniry ny fanazavana ny zava-misy ankehitriny avy aminy koa. Hifanome fotoana eto ireo amin’io fotoana io miaraka amin’izay manan-kambara rehetra. Ny olan’ny firenena izao dia vidin-kanina, jiro, lalana. Namaha ny olana teto Madagasikara ve ny fifidianana nisesisesy teo? Tsy ho resaka fifidianana mihitsy izany no hivoriana amin’io sabotsy io. Hamaha ny olan’ny ady mangatsiakan’ny samy ao anaty fitondrana ve ny fifidianana? Marary ny firenena. Inona no fanasitranana azy? Mila fitoniana ny firenena. Izany no resahina eto. Hitondra fitoniana eto ve ny fifidianana? Handroso vahaolana izahay. Raha te hanarina firenena sy hanao praograma ekonomika marina ny fanjakana dia mila mametraka fitoniana aloha! Inona moa no nahatongavan’ny solontenan’ny banky iraisampirenena teny Iavoloha raha tsy hoe misy vola an-tapitrisa, mba tsy ilazana hoe miliara Dolara eto tsy miasa? Ny mpamatsy vola indray izao no manontany hoe fa maninona no misy vola tsy miasa be dia be? Raha namaha olana ny fahalanian’ny filoham-pirenena tamin’ny desambra dia efa tokony hivoaka ireo vola ireo dia mivaha ny olana. Maninona no mitoetra eto ilay olana? Misy olana be tsy tenenina eto amin’ny firenena. «Faux problème» na olana sarintsariny foana no resahana eto. Vao miresaka olana politika dia rahonana ho samborina. Izany ve no vahaolana eto? Manontany izao ny mpamatsy vola hoe io misy vola be dia be, maninona no tsy ampiasainareo? Inona no olana amin’io trosantsika io? Izany no ho resahana eto. Tsy afaka ny hitompo teny fantatra izahay hoe hisy vahaolana amin’ny sabotsy. Tena io fifidianana hiezakezahana amin’ny 29 may io ve no hamaha ny olantsika, hoy hatrany ity talen’ny kabinetran’ny filohan’ny antenimieram-pirenena ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT