Politique

Ratianarivo Andriamanga Bruno Mbola kandida Ben’ny tanànan’Ambavahaditokana


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Mbola vonona ny hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Ambavahaditokana Ratianarivo Andriamanga Bruno,

 

Ben’ny tanàna ankehitriny. Betsaka ny asa vita raha ny nambarany saingy mbola betsaka ihany koa ireo asa tokony hotohizany, antony nanosika azy mbola hilatsaka. Tsy nandrasany ela anefa izany fa mbola am-periny tanteraka ny lehilahy ankehitriny ka anisan’ireny ilay tetikasa lalan-kely nahazoan’izy ireo famatsiam-bola avy amin’ny “Agence Française de développement”. Hotanterahina ato ho ato ny fampahafantarana ny fanombohan’ny asa ka ao amin’ny Fokontany Ambohimandroso, Loharanombato… no hisantarana izany, asa am-pahany voalohany. Hatao rarivato ireo lalan-kely ireo ka Fokontany miisa enina no hahazo tombontsoa. Nahazo trano fivoahana sy fidiovana ihany koa ny EPP ao Ambohimandroso sy Ambohimarina ho fitsinjovana ny mpianatra, tetikasa niarahana tamin’ny WSUP. Efa mandeha ihany koa ny asa fikojakojana ny lalana sasany ankehitriny ka anisan’ireny ny eny amin’ny hôpitaly Itaosy izay tena be mpampiasa tokoa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT