RASTANY RANDRIANARISOA

Betsaka ireo maharary ny vahoaka, ilana fanovana eto


  • Alatsinainy 29 Aprily 2024

Betsaka ireo maharary ny vahoaka ilana fanovana eto amintsika raha araka ny fanazavan’ny kandida ho depiote

Randrianarisoa Rastany, natolotry ny Vovonana Firaisankina ao anatin’ny Boriborintany faharoa. Notsindriany manokana tamin’izany ny resaka rano fisotro madio izay avy ao Mandroseza no ivony, nefa tena miteraka olana sy mampijaly vahoaka tokoa ankehitriny. Toraka izany koa ny fampianarana ambony izay mbola ao anatin’ny Boriborintany faharoa ihany koa no misy azy. Diso fantatro loatra ireo zava-misy iainan’ny vahoaka ireo hoy izy raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany tamin’ny Sabotsy teo teny amin’ny Hotel Panorama Andrainarivo ka ilana fanovana avokoa. Nilaza ihany koa ireo mpiray lisitra aminy toa an’Atoa Williamson fa zanaky ny Boriborintany faharoa ny tenany, mahafantatra tsara ny olana sedrain’ny mponina eny amin’iny faritra iny. Vovona ny hanao poa-droa araka izany izy ireo ary hiady ho an’ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, hitondra ny fitarainana sy ny feo eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nambaran’izy ireo fa hoataony maodely sy filamatra ny Boriborintany faharoa, izay ahitana ny foko sy ny kolontsaina marolafy mifanjohy. Tafatsangana ny Sabotsy teo ny Komity mpanohana azy ireo ao anatin’ity Boriborintany iray ity. Narahin’ny fitsofan-drano nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana azy ireo izany izay nanamafy fa mivilana ny fitondrana misy eto Madagasikara. Taom-pifidianana ity taona 2024 ity hoy izy koa antenaina fa hitondra fanovana sy taham-panantenana ho an’ny vahoaka Malagasy izany. Niantso ireo feno 18 taona rehetra mba handatsa-bato ihany koa ny tenany nandritra izany.
Pati
Legende : Ireo kandida solombavambahoaka avy amin’ny Firaisankina ao anatin’ny Boriborintany faharoa !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT