“Tokony hapetraka amin`ny toerana maha izy azy ny fanoherana fa tsy mitsikera miompana amin`ny fanaratsiana”, hoy Rasolonjatovo Honorè, solombavambahoakan`i Madagasikara.
Tany repoblikanina i Madagasikara ka manaja ny demokrasia saingy indraindray tsy tafapetraka amin`ny maha izy azy ny fanoherana. Voalaza ao anatin`ny lalàmpanorenana fa ny solombavambahoaka no mitantana ny fanoherana. Amin`izao dia manana fahefana be ny mpanohitra ka noho izany dia miaina anaty demokrasia tanteraka isika, hoy hatrany ity depiote ity. Ny zavatra voasoratra ao amin`ny lalàmpanorenana dia ny toerana fahafito ao anatin’ny Antenimieram-pirenena dia mitazona ny toerana fahafito. Mahakasika ny raharaha fanenjehana olona kosa dia tsy azo atao maika ny fandraisana fepetra sy fanapahan-kevitra izay heverina hanohintohina fiainam-pirenena, hoy ity filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ity. Fanoherana ara-demokratika no tokony hisy fa tsy izay milaza ny ao an-tsaina dia afaka miteny avokoa. Ny fanjakana mahafantatra ny fanapahan-kevitra raisiny sy ny fotoanany momba ny tokony handraisana fepetra amin`ireo olona mitsikera ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny fanazavana
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.