Mitaky fahavononana avy amin’ny rehetra fa tsy miankina amin’ireo mpanatanteraka irery akory ny fanarenana ny firenena amin’izao fotoana.
Mba hisian’io fahavononana io anefa dia ilaina ny famerenana ny fifampatokisana eo amin’ny vahoaka entina sy ireo mpitondra. Zava-tokana, hoy Rasolojaona Tahiana na Jaytaxx kandida laharana faha-21 ao amin’ny Boriborintany faha-5 ny mampiverina io fifampitokisana io dia ny fifampierana eo amin’ny roa tonta mialoha ny hanapahana hevitra. Hatramin’izay dia teny midina no natao teto amintsika fa ho an’i Jaytaxx kosa dia heveriny fa teny miakatra izany hoe ny aty ifotony no henoin’ireo mpitondra mba ho tena ny hetahetan’ireo vahoaka tokoa no hivoaka avy ao amin’ilay hevitra tinapaka ka tena hitondra soa ho an’ny rehetra fa tsy andian’olona fotsiny. Tanora mpandraharaha ny tenany ary hamafisiny fa tsy mpanao ratsy na koa handroba avokoa akory rehefa tanora ka miditra amin’ny raharaham-panjakana fa misy ireo izay vonona hanarina sy hanorina tahaka azy ka mila tolo-tanana avy amin’ny vahoaka. Miavaka rahateo ny tanjon’izy ireo ao amin’ny «Raiso ny Dimy» dia ny hitondra fomba fanaovana politika vaovao mendrika ny Malagasy sady hanasoa ny Malagasy.
Nofy R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.