Rasolojaona Tahiana

> Tonga ny fotoana hanolorana valimbabena ho an’ny Firaisana faha-5


  • Alatsinainy 09 Desambra 2013


Tanora vao herotrerony, teraka sy nonina ary mbola mitoetra ao anatin’ny firaisana faha-5 Rasolojaona Tahiana na Jaytaxx. Izany indrindra no nahatonga azy nanapa-kevitra hirotsaka hofidiana solombavambahoaka satria amin’izy ireo sy ireo kandidan’ny Raiso ny Dimy dia tonga izao ny fotoana mba hanoloran’izy ireo valimbabena ho an’izany firaisana nipoirany izany. Tsy nahasakana ireo vahoakan’Andraisoro tsy nitafa sy nihaona taminy tokoa mantsy ny fisian’ny orana nifafy. Ny mpanentana sy ny tarika Princio rahateo nahay nanafana ka dia tafaray ny tia sy ny manina. Tanora ireto kandida laharana faha-21 izay tarihan’i Jaytaxx ireto, tanora vonona hanasoa ny faritra niaviany anefa fa tsy sanatria hitsentsitra. Ho solom-bava hiteny araka ny filazany fa tsy hihinana ireo tokony ho anjaran’ny vahoaka akory. Hanatontosa tsara ny andraikitry ny solombavambahoaka dia ny hanara-maso ireo mpanatanteraka  no tena hifotoran’izy ireo amin’izany mba tena hisian’ny fivoarana ho an’ity faritra niaviany ity.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT