Hevi-baovao tsy mbola faheno teo amin’ny tontolon’ny fiatrehana fifidianana hatrizay ity an’Atoa Rasolofoson Ratsimbazafy Eugčne filohan’ny fikambanana VOMZM (Vondron’Olona Miaro ny Zon’ny Mpanjifa) ity.
Mitaky ny hanovana ny lalàm-pifidianana izy ireo hanomezana alalana ny mpanao vato fotsy sy vato maty hanao fampielezan-kevitra hitovy amin’ireo mpomba ny kandidà izatsy na izaroa. Raha toa ka maharesy ireto mpanao vato fotsy sy vato maty ireto dia tokony ho rava ho azy ny fitondrana misy satria efa tsy ankasitrahan’ny olona intsony izy tsinona. Nilaza ho tsy mankasitraka ny fampitambarana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny an’ny solombavambahoaka koa ny VOMZM satria mety hampifandiso ny safidin’ny tsy ampy fahalalana izany, hoy ihany Atoa Eugène. Nanamarika koa ity farany fa mety hipoahan’ny hatezeran’ireo tsy afaka naneho ny safidiny noho ny tsy fananany kara-pifidianana na noho izy ireo tsy nosoratana anaty lisi-pifidianana mihitsy. Tena fanohintohinana ny fizotry ny fanisam-bato sy ny famoahana ny voka-pifidiana ny fitakian’ny sasany hanafoanana ny fifidianana, hoy ny VOMZM ka tsipahinay. Hevitra bontolo hanalavana ny tetezamita no ataon’ireo olona ao anaty fitondrana nokaramainy hitabataba ireo, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.