Rasoamalala Odette Brenda

> Tsy ho ela dia hody ventiny ny rano nantsakaina


  • Alakamisy 14 Novambra 2013

Mifantoka amin’ny fiatrehana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina miaraka amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin’ny 20 desambra ankehitriny ny etamazaoro politika.

Mitohy hatrany etsy andanin’izany ny hetsika politika sy ny fifanentanana ataon’ny zanak’i Dada sy ny ankolafy Ravalomanana etsy amin’ny Magro Behoririka. Nandritra ny nanentanan’ny MCT Rasoamalala Odette Brenda sady kandida depiote ao Ambatondrazaka ireo Zanak’i Dada sy ankolafy Ravalomanana mpiara-mitolona aminy, mba ho tony sy hilamina eo am-panomanana ny fifidianana manaraka satria efa nentina tamin’ny finoana niaraka tamin’Andriamanitra ny fanavotana ity firenena ity ka raha hotohizana ny ezaka dia hody ventiny ny rano nantsakaina dia ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana nimatimatesana hatrizay. Ka mbola mangataka vavaka hatrany amintsika rehetra hahatomombana an-tsakany sy an-davany ny fihodinana faharoa hanehoantsika indray ny herintsika ary koa ampiarahantsika amin’ny fanomezam-pitokisana an’ireo ho solombavambahoaka hiraka hiasa matotra amin’ny Dr Robinson Jean Louis hotronin’i Dada.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT