Politique

Rarija Rajo Tsiferantsoa Hitondra fijery vaovao ho an’ny kaominina Arivonimamo


  • Alarobia 11 Septambra 2019

Anisan’ny kandida ary efa vonona amin’ny fifidianana ben’ny tanàna atao tsy ho ela, atoa Rarija Rajo Tsiferantsoa. Amin’ny anaran’tenany manokana no hilatsahany,

 

 

 

raha ny nambarany. Araka ny fanazavana azo, nandritry ny efa-taona no efa nanomana ny vina entiny hampandrosoana ny kaominina Arivonimamo voalohany ny tenany ary efa maty paika avokoa ny zavatra rehetra hataony. Voalazany fa nisy antoko politika nangataka azy, saingy, afaka miara-miasa rehefa hampandroso ny kaominina, hoy izy. Ao anatin’ny vina izay hapetrany, ny mikasika ny fiarahamonina, ny sosialy, ny fampianarana, fotodrafitrasa goavana izay hapetrany ho an’ny vahoaka ao Arivonimamo. Hiova endrika tanteraka koa Arivonimamo, raha izy no lany hitantana ny kaominina, hoy ny fanazavany. Efa manana mpamatsy vola izy ary efa miara-miasa amin’ny Ong sy ny zanaka am-pielezana rehetra izay hiara-hiasa aminy. Efa nanamboatra ny lalana, ny kianja izy niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ary mbola vonona hampandroso ny kaominina ny tenany. Ny hamerina ny lazan’ny kaominina Arivonimamo no tanjon’ity kandida mahaleotena ity. Farany, hametraka tanàna vaovao amin’ny endriny hafa ao Mangatany izy, hanao kianja hafa ho an’ny tanora ary hametraka famatsian-drano madio. Ny hametraka ny Bif na “Birao Ifotony ny Fananantany” amin’ny toerany izy ary hamafisina ireo birao ao anatiny, hoy hatrany ny fanazavany.

Sitraka r.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT