RAOBELINA ANDRY

« Hahafahana mampitsimbadika ny tantara io fifidianana solombavambahoaka io »


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

taiza ireo solombavambahoaka ireo tsy nitsangana, miady ho antsika rehefa nirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, rehefa mahita fa misesisesy ny fakàna an-keriny olona amin'ny faritra samihafa tahaka ny niseho tao Anjozorobe farany teo, ny fanafihana, fandrobàna mahazo ny olom-pirenena na mpandraharaha eny an-dalambe na ao an-tokantrano ka tonga hatrany amin'ny fitifirana sy famonoana azy amin'ny endriny samihafa mateti-pitranga tato ho ato.

Taiza no tsy re nandon-databatra rehefa niakatra ny vidim-piainana, taiza no tsy niloa-bava mikasika ireo harem-pirenena maro be tafaporitsaka eto sy ny marohafa, kanefa ankehitriny, mihazakazaka manameloka ray aman-dreny miteny izay tena marary ny vahoaka.

Sahia isika mametraka olom-boafidy afaka ny hiaro ny tena tombontsoa antsika vahoaka, hijoro amin'ny foto-kevitra mazava ary afaka ny hitondra fanovàna eto amin'ny firenen, hoy izy. Ity fifidianana solombavambahoaka ity no fotoana ahafahana mampitsimbadika ny tantara, hoy i Raobelina Andry.Aty amintsika vahoaka ny fanalahidy, aza miraviravy tànana. Koa manentana antsika ho avy mavitrika, hirodorodo handatsa-bato amin'ny 29 mey ho avy izao.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT