Randy Donny

«Tsy diso isika fa ny vanim-potoana no tsy mbola tonga»


  • Zoma 31 Mey 2024

Nisafidy ny ho resy isika, hoy ny kandida ho solombavambahoaka, Randy Donny.

Resin'ny vola, hoy izy. Resin'ny sakafo masaka. Resin'ny fampahantrana sy ny fanabadoana. Resin'ny hosoka sy ny jiro tapaka eo amin’ilay fotoana tena ilana azy mihitsy. Nisafidy ny handresy izahay fa tsy nifamotoana isika. Ilay koveta fanjonoana hatramin'izay ihany no teo kanefa tsy mitady «excuses» na fialan-tsiny. Tsy mitady diso na «coupable». Isaorako ny ekipako mavitrika tsy nitady tambiny. Isaorako ireo mpifidy tsy nanaiky ny ho resy tsy miady na dia teo aza ny resaka momba ny "fifidianana efa vita mialoha". Tsy diso isika fa ny vanim-potoana no tsy mbola tonga. Efa niady ny ady tsara isika. Sambàra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT