Politique

Randriatahina Monja Marc “Feno hosoka ny fifidianana depiote tao Bekily”


  • Talata 16 Jolay 2019

Vaky bantsilana avokoa omaly ireo hosoka nataon’ny ekipan’ny fitondram-panjakana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

 

 

 

Anisan’ireny ny nitranga tany amin’ny distrikan’i Bekily ka nahavoadingana ny kandida avy amin’ny tsy miankina Randriatahina Monja Marc. Nambarany fa tena nampalahelo ny zava-nitranga tany an-toerana, antony nanosika azy ireo hanatrika ny fivoriana notanterahin’ireo kandida lasibatra tetsy amin’ny Carlton, omaly. Anisan’ny nizaka izany koa Rajerison Véronique izay filohan’ny antoko UNRMM  nilatsaka tao amin’ny Boriborintany fahadimy izay nilaza fa  tsy afaka ny hangina rehefa misy zavatra tsy rariny miseho eto amin’ny firenena tahaka izao. Tsy mitsara mihitsy ny HCC raha ny nambarany fa mijery fotsiny. Ireny tranga ireny anefa no mampihena ny salanisan’ny mpifidy sady lesoka  tokony hanarenana ny firenena koa andrasana ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay, hoy izy. Miantso ny Malagasy mba haneho ny fitiavan-tanindrazana toy ny tamin’ny fitiavana an’ny Barea ity kandida iray ity mba hisehoan’ny tena marina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT