RANDRIANTSOA JIMMY

Niverina amin’ny maha-Ben’ny tananan’Alasora azy


  • Talata 04 Jona 2024

Niverina amin’ny maha-Ben’ny tananan’Alasora azy Randriantsoa Jimmy

taorian’ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 May teo ka nahazoan’ny Vovonana Firaisankina toerana iray tao anatin’ny distrikan’Avaradrano. Izy no lisitra faharoa tamin’izany izay nankasitraka feno ny fitantanan’Andriamanitra sy ny vahoakan’Avaradrano tamin’ny fahatokisana nomeny ny kandida natolotry ny Vovonana Firaisankina. Ankoatra izay dia niverina amin’ny maha-Ben’ny tananan’Alasora azy izy araka ny lalana 2018-008 tamin’ny 11 May 2018 izay mamerina azy indray amin’ny asany teo aloha rehefa vita soa aman-tsara ny fifidianana solombavambahoaka. Nambarany araka izany fa hitodika tanteraka amin’ny fanompoana ny vahoakan’Alasora izy manomboka izao ka tafiditra ao anatin’izany ny asa fampandrosoana ny tanana izay efa nimatimatesany hatramin’izay.
Pati
Legende : Mbola vonona hanompo ny vahoakan’Alasora hatrany ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT