RANDRIANOMENJANAHARY WILLIAM

Asa fanompoana vahoaka ny asana Ben’ny tanana


  • Alatsinainy 09 Desambra 2024

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Ben’ny tanana isika ankehitriny.

Fifidianana iray mipaka eny ifotony izy io raha tsiahivina no sady manakaiky vahoaka. Mizara izany asana Ben’ny tanana izany amintsika Randrianomenjanahary William, Kandida Ben’ny tanana natolotr’ Itaosy Uni Miray Hina ao anatin’ny Kaominina Itaosy, distrikan’Atsimondrano. Tahaka izao ny resaka nifanaovan’ny Gazety Tia Tanindrazana taminy.
Ahoana marina moa izany asana Ben’ny tanana izany Tompoko isan’andro ?
Amiko manokana ny asan’ny Ben’ny tanana dia asa fanompoana ny vahoaka izay tsy hikatsahana afa-tsy ny mahasoa azy ireo araka ilay teniko ombieny ombieny dia ny hikatsahana ilay soa hiombonana. Isan’andro no hieritretana izany na tsy dia hananana fotoana ho an’ny ankohonana aza. Izay no antony nanosika ahy hirotsaka hofidiana ho Ben’ny tanana. Tanindrazako no misy ny Kaominina Itaosy koa anjara adidiko ny manatanteraka izany raha sitrapon’Andriamanitra ka lany soa aman-tsara aho.
Ahoana tompoko no endrika hisehoan’izay asa fanompoana vahoaka izay ?
Manatanteraka ireo karazana tetikasa maika sy tena ilain’ny vahoaka mifandraika amin’ny fiainany andavanandro. Tsy manao kobaka am-bava ihany koa fa tena manatontosa izay nampanantenaina. Ho an’ny tananan’Itaosy manokana dia tsy misy miafina amiko ireo manahirana ny vahoaka. Lefitry Ben’ny tananan’Itaosy ny tenako teo aloha, zana-bahoaka ary miaina eny anivon’ny vahoaka. Ny fahantrana ihany no tena fahavaloko araka izany.
Tsy vita ny tetikasa raha tsy misy vola, ahoana ny mikasika izay ?
Tafiditra ao anatin’ny asan’ny Ben’ny tanana ny fitadiavana mpamatsy vola na mpiara-miombon’antoka ankoatra fanaovana sonia ireo antontan-taratasy maro isan-karazany isan’andro toy ny kopia mari-pahaterahana, ny fampisorata-panambadiana. Toraka izany koa ny fanentanana ny vahoaka mba handoa ny hetran-trano sy ny hetran-tany hisian’ny tamberim-bidy miverina amin’izy ireny.
Inona no asa maika hotanterahina raha lany soa aman-tsara ianao ?
Isaorako ny Ben’ny tanana teo aloha no hamaroan’ireo foto-drafitrasa efa vitany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asako araka izany ny fanohizana ireo asa efa natomboka, ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka, ny fijerena ny lafin’ny fambolena sy ny fiompiana ary resaka fahasalamam-bahoaka.
Olona tahaka ny ahoana araka izany no afaka manao Ben’ny tanana ?
Olona manana fandavan-tena, manakaiky ny vahoaka ary mahalala sy mahay ny olana sedrain’izy ireo. Mahay miara-miasa amin’ny rehetra ihany koa fa tsy miolonolona. Antony hanentanako ny olom-pirenena rehetra mba hahay hisafidy izany amin’ny datin’ny 11 Desambra ho avy izao. Ho an’ny Kaominina Itaosy manokana dia Kandida laharana faharoa ny tenako,fantatry ny maro amin’ilay hoe : Kandida William tena milamina sady mandamina.
Pati
Legende : Izy no Randrianomenjanahary William, Kandida Ben’ny tanana ao anatin’ny kaominina Itaosy Atsimondrano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT