Randrianasolo Nicolas

> Enin-taona no nanomanany ny fifidianana depiote


  • Zoma 10 Janoary 2014


Efa nandritra ny 6 taona katroka izao no nataon’ny tenanay filamatra ny fijerena tsy tapaka ny sosialim-bahoaka tany Betroka Toliara, hoy ny kandidà ho solombavambahoka Randrianasolo Nicolas iray amin’ireo 15 nifaninana tany an-toerana ary anisan’ny nahazo ny vato be indrindra araka ny vokatra vonjimaika efa notaterin’ny CENI-T tamin’ny haino aman-jery. Tsy mahagaga, araka izany, raha niantefa taty aminay ny safidin’ny maro an’isa, hoy izy, fa tsy ny olona may ny hahazo toerana fotsiny ka androm-pifidianana vao mba taitra mijery ny vahoaka. Amiko, hoy Randrianasolo Nicolas, rehefa tsy lany dia tokony hifanome tanana daholo hampandroso ny Distrikan’i Betroka satria politika fampandrosoana mijery lavitra no tokony himasoana ankehitriny. Efa leo krizy rahateo ny vahoaka, hoy ity kandida depioten’ny MAPAR tao Betroka ity, ka tsy fotoanan’ny savorovoro intsony izao fa tokony hifampidinika amin’ny tetika hampandrosoana ny firenena ny samy kandida.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT