RANDRIANARIVONY JOCELYN

"Tsy tompon'andraikitra no misy eto fa tompon-toerana"


  • Alarobia 06 Aogositra 2025

Naneho ny heviny mikasika ny zava-misy lalovan'ny Firenena ankehitriny Randrianarivony Jocelyn,

lefitra voalohan'ny Ben'ny tananan'Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano. Nambarany tamin'izany fa tompon-toerana no misy eto amintsika fa tsy tompon'andraikitra. Ny 80% -n'ny vahoaka Malagasy no nambarany fa efa mahatsapa tanteraka ny tsy fandehanan'izao Fitondrana izao amin'ny laoniny intsony. Marobe ireo karazana harena an-kibon'ny tany sy voly fanondrana mampiavaka an'i Madagasikara hoy izy saingy tsy misy mipaka any amin'ny vahoaka Malagasy akory ny tombontsoa azo avy amin'izany. Tompon-toerana no misy eto fa tsy tompon'andraikitra. Noraisiny ohatra ihany koa ny mikasika ilay tompon-toerana iray efa nanao fahadisoana ary efa voaroiroy tany ivelany saingy mbola naverina eto an-tanindrazana indray ary lasa mpanolon-tsaina manokana mihitsy. Rehefa inona vao misy sazy mahazo ny karazan'olona tahaka ireny ? hoy Randrianarivony Jocelyn. Raha tena tompon'andraikitra no misy eto hoy izy dia tsy hijery maso fotsiny ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka fa mandray ny andraikiny avy hatrany.
Pati
Légende : Randrianarivony Jocelyn, lefitra voalohan'ny Ben'ny tananan'Ampitatafika ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT