Tsy hisalasalana intsony ny maha kandidŕ favori ny kandidŕ depiote laharana faha-34 ao amin’ny Boriborintany faharoa dia Randrianarisoa Stanislas atolotry ny ankolafy Ravalomanana.
Resy lahatra ireo vahoaka amin’ny Fokontany notsidihiny tao anatin’izao fampielezan-kevitra izao fa izy no tena afaka hitondra ny feon-dry zareo any amin’ity boriborintany ity noho ny fahaiza-mandresy lahatra ananany ary afaka manohy ihany koa ny fampandrosoana ny sosialim-bahoaka efa nikirizany hatran’ny ela teny an-tanàna. Toa ireo kandidà rehetra manohana ny kandidà Robinson Jean Louis dia anisan’ny handray andraikitra mivantana amin’ny fikarakarana ny faradoboka eny Antsonjombe rahampitso alarobia izy sy ireo mpiray lisitra aminy ary ny vahoakan’ny Boriborintany faharoa iray manontolo. Anio dia faradoboka fivezivezena manerana ny Fokontany rehetra ao amin’ity Boriborintany ity no ho tanterahan-dRastany sy ny MCT Feno ary ireo mpiray lisitra amin’izy ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.