RANDRIANAIVO HERIZO NINAH

Tsy ampy ny fanovana governemanta


  • Alarobia 08 Oktobra 2025

Naneho ny heviny mikasika ny zava-misy lalovan'ny

 

Firenena ankehitriny Randrianaivo Herizo Ninah mpampianatra mpikaroka no sady Filoha nasionalin'ny fikambanam-behivavy gasy sangy. Nambarany fa tsy ampy ny fanovana governemanta fotsiny. Mila fanovàna fototra amin’ny rafi-pitondrana sy ny lalàm-panorenana isika eto Madagasikara hoy izy izany hoe : azo tsaraina avokoa ny mpitondra rehetra, tsy misy ambonin’ny lalàna. Ny Praiminisitra no Lohan’ny Governemanta sy tompon’andraikitry ny raharaham-panjakana andavanandro. Ny Filoham-pirenena kosa dia mametraka ny paikady lehibe sy manara-maso ny fanatanterahana azy.Rafitra toy izany no efa nampanjaka fitoniana sy fampandrosoana tany amin' ny Nosy rahavavy Maorisy sy tany amin’ireo firenena mandroso hafa raha ny nambarany. Notsiahiviny manokana moa fa ho antsika eto Madagasikara moa dia notsiahiviny fa mbola miverimberina hatrany ny tantara. Mbola miverina hatrany ny krizy. Toraka izay koa ny fahoriana ho an’ny vahoaka. Miantso ny tanora Malagasy ho sahy hitaky fanovàna tena izy, lalina sady maharitra araka izany ny tenany. Eo am-pelatanantsika ny fanantenana hoy izy raha sahy mitaky isika.
Pati
Légende : Randrianaivo Herizo Ninah, mpampianatra mpikaroka !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT