Ny distrikan’Andramasina dia manana anjara toerana amin’ny toekarena. Anisan’ny faritra tena mamokatra ovy, geranium, mananasy, ravintsara ary mpiompy omby ity distrika ity.
Ireo no tena mibahana any an-toerana, ao anatin’izay ny asa tanana, hoy ny depiote TIM, Randriamanjato Liantsoa Bina. Tolo-dalàna mikasika ny fifehezana ny varotra no tena mahamaika amin’izao. Ny tsena dia kely ho an’ny tantsaha, hany ka misy mpanelanelana. Noho izany, tokony hohamaivanin’ny fanjakana ny famoahana ny vokatra mankany ivelany. Rehefa mitombo ny tinady dia afaka mandroso ny tantsaha. Nomarihany kosa fa ireo tolo-dalàna harosony dia tsy maintsy natao nifandray tamin‘ny vina MAP 2 ary noraisina mihitsy ny laharampahamehana miainga avy amin’ny distrika. Raha fehezina dia natao niainga avy any ifotony ny fampandrosoana. Ny fandriampahalemana, fambolena sy fiompiana, fahasalamana, fanabeazana, tontolo iainana dia niainga avy any ifotony nanaovana fanadihadiana. Ny MAP2 dia tena hita fa mitsinjo ny ambanivohitra, hoy ihany izy. Ny resaka fambolena, ohatra, dia misy tetikasa amin’ny fampivoarana ny tantsaha hanalefahana ny vesatra azo amn’ny zezika ary eo ihany koa ny fanofanana ara-teknika. Ankoatra izay, vanim-potoanan’ny famadihana any amin’iny faritra iny amin’izao ka misesy tato ho ato ireo trangana tsy fandriampahalemana. Mitaky fampitomboana ny isan’ny zandray hiasa any amin’ity distrika ity ny depiote Randriamanjato Liantsoa Bina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.