Randriamamizafy Ignace

> Hajao ny lôjikan’ny tany tan-dalŕna


  • Talata 07 Janoary 2014

Niverina an-kianja tetsy amin’ny Magro Behoririka indray omaly ny MCT Randriamamizafy Ignace, kandida depiote tany Moramanga tamin’ny fifidianana farany teo.

Tsotra sy nahitsy ny azy ny fanehoan-kevitra nentiny fa feno hosoka tany amin’ny Distrikan’i Moramanga nandritra ny fifidianana roa sosona ary be dia be tsy voatanisa ny tsy fanarahan-dalàna niseho lany nataona kandidà mpifaninana taminy sy tamin’i Dr Jean Louis Robinson raha tsy hiteny afa-tsy ny fananganan’ny sasany «podium» eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna izay tena voararan’ny lalàna. Tsy misy valaka toy ny nataon’i Esao (ao anaty Baiboly) nivarotra fizokiana noho ny hanoanana no nataon’ny olona matin-kanoanana tany Moramanga sy nanarena ny Nosy tamin’iny fifidianana iny, hoy ny MCT Ignace. Tsy misy manaraka lôjika raha fehezina ny raharaha eto amintsika, hoy izy, satria tsy misy ampiharina ny lalàna velona. Aminay, hoy izy, dia ny fanatanterahana izay voalazan’ny lalàna toy ny fampiharana ny andininy faha-20 amin’ny tondrozotra ary koa ny andininy faha-15 mamaritra ny tsy fahazoan’ny filohana andrimpanjaka manatrika sy mitarika fampielezankevitra kandidà no lôjika. Ka aminay dia ny fanilihana an-daharana an’ireo kandidàm-panjakana no lôjika indrindra. Ianareo CES ihany no nanafoana ilay didim-panjakana 2013-593 sadasada iny ka dia ampiharo ny sazy mifanaraka amin’izany. Izay no lôjikan’ny tany tan-dalàna, hoy izy, fa ankoatra izay dia fandrebireben-tsaina avokoa.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT