Politique

Randrana sendikaly “Tokony efa hanomana kandida hanolo azy ny mpanohana ny Filoha”


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Sambany ny filoham-pirenena nanaiky am-pahibemaso vaovao nivoaka tamin’ny Facebook, izay tsy ofisialy akory, hoy ny Randrana sendikaly, tao anatin’izay 5 taona latsaka kely nitondrany izay.

Ela ny ela fa nanaiky ihany prezida hoe misy tsara sy ilaina ao amin’ny Facebook, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Talohan’ny 2018 rehefa misy fanapahana karama aty amin’ny sehatra tsy miankina dia mivory ny 3 tonta, izany hoe sendikan’ny mpiasa sy mpampiasa ary ny solontenam-panjakana hanapahana hoe izao izany no karama miainga eo. Nony tonga moa ny filoham-pirenena ankehitriny dia nampanantena izy fa 200.000 Ariary ny karama farany ambany rehefa izy no lany. Tonga dia nataony an’izay tokoa nony lany izy. Ny taona 2022, nihetsiketsika indray ny sendika hoe tokony hiakatra fa efa 2 taona tsy nisy fiakarana noho ny COVID dia nanapaka indray izy hoe 250.000 Ariary. Izao dia niteny indray izy 238.000 Ariary. Izany hoe tsy misy adihevitra fa tonga dia izay no tsy maintsy nampiharin’ny rehetra. Izahay izao nanantena ny alahady teo fa mba hiresaka tontolon’ny asa i prezida saingy ny sosialy moa no tena noresahany. Tena niditra tany amin’ny ain’ny mpiasa nefa ny fanapahan-kevitra noraisiny. Voamarina izao fa vazaha taratasy izy ary averinay indray fa lohana mpanjanaka no nampihariny taty amin’ny sehatry ny asa. Tsy resaka karama ihany io fa na io resaka CNaPS io koa. Iny izao farany teo ilay hoe misy fanagiazana na “réquisition” nataon’ny tale jeneraly mpisolo toerana dia hoe any amin’ny prezidansa no mandray fankatoavana. Tsy misy fanajana lalàna, jereo ny sata mifehy ny asa ao amin’ny andininy 11 fa tsy voahaja na navoaka aza ny didim-pitondrana mikasika ny karama ny jolay 2022! Nanitsakitsaka ny fifanarahana iraisampirenena laharana faha 87 sy 88 ny fanjakana malagasy. Ny faharoa ny resaka sosialy raha vao asa no resahana dia CNaPS izay. Io tantely afa-drakotra sy mbola migrevy io. Ny andry fahatelo ny famoronana asa nefa ireny mivoaka ireny izao hoe manakaiky ny 80% no tsy an’asa. Ny andry faha 4 dia ny dinika sosialy. Tsy nisy izany matoa midina ny karama. Tsy nisy voahaja izany ireo andry miisa 4 mariky ny asa mendrika. Nampiharin’ny filoham-pirenena taty amin’ny tontolon’ny asa ny lohana mpanjanaka sy maha “vazaha frantsay taratasy” azy. Tokony handray fepetra ny antoko politika, ny fitsarana, ny HCC, ny tafika ary tokony efa hanomana kandida hanolo azy ny mpanohana ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT