Politique

Randimbisoa Jean Chrysostome Aorian’ny fifidianana vao hisy ny fankatoavana


  • Zoma 04 Novambra 2011

Nilaza ny heviny tamin’ny mpanao gazety tao Ambositra omaly alakamisy 03 novambra 2011 ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Randimbisoa Jean Chrysostome, avy ao amin’ny TIM Raharinaivo.

 Aminy dia ny fanajana hatrany ny voarakitry ny tondrozotra vita sonia ihany no vahaolana ivoahana amin’ny krizy eto amintsika. Tokony hifangaro anatin’ny governemanta vao hatsangana io ireo olona atolotry ny vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra, hoy ity CST ao Amoron’i Mania ity. Mikasika ilay Praiminisitry ny marimaritra iraisana, Beriziky Omer dia manaiky ny fanendren’ny Filohan’ny FAT azy Randimbisoa Jean Chrysostome, nefa nanome hafatra ho an’ity olom-boatendry vaovao ity mba hijoro amin’ny maha mpampihavana sy mpanelanelana ireo mpanao politika azy.

Tsy amin’ny maha Leader Fanilo na amin’ny maha natolotry ny ankolafy Zafy azy intsony hoy ity CST ity no ijoroany sy itantanany ny governemanta fa tokony hamaha ny krizy amin’izay. Dingana maro no efa vita amin’ny famahana olana teto amin’ny firenena, hoy ihany ity olon’ny TIM Raharinaivo ity tao Ambositra ka inoana fa hiroso amin’ny dingana tsaratsara kokoa amin’izay ny rehetra, indrindra ny fanatanterahana ny fifidianana. Ny fahavitan’io fifidianana io ihany izay atao mangarahara sy eken’ny rehetra no ahazoantsika ny fankatoavana iraisam-pirenena araka ny nambaran’ny CST Randimbisoa Jean Chrysostome. Mikasika ny antoko TIM dia nilaza mazava ny tenany fa tsy tokony hizarazara ireo mpitarika satria mbola maro ireo olom-boafidy manerana ny Nosy no manaraka sy manaja hatrany ny sata mifehy ny antoko sy ny mpanorina azy.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT