Ny fisian`ny lalana tsara lamina dia antoka mampitony ny sain`ny Malagasy ary mitombin-tsaina izy ireo manao ny asany.
Ny lalana rahateo no antoka ahazoana vokatra tsara eo amin`ny sehatra rehetra ary miteraka fampandrosoana ho an`ny firenena ka manatsara ny vokatra, indrindra amin`ny lafiny ara-toekarena. Nambaran’ny depiote voafidy tao amin`ny boriborintany fahefatra Antananarivo Renivohitra, Ramboasalama Emilien fa zavatra mahafinaritra ny fanjakana no ataony ao amin`ny politika ankapoben`ny fanjakana (PGE) fa tsy mahasoa ny vahoaka. Ireo lalam-pirenena no tena mahamaika ny fitondrana kanefa misy lalana eto Antananarivo Renivohitra, tsy amboarina kanefa anjaran`ny minisiteran`ny asa vaventy. Nilaza izy fa tokony homena an`ireo kaominina ny fitantanana ny FER (Fonds d`entretien routier) satria zon`izy ireo izany.. Lasa kajikajy politika ka tsy andeha mihitsy fiainam-bahoaka, hoy izy. Mbola resabe hatrany ny fako, indrindra eto an-drenivohitra. Nanambara ity depiote ity fa tokony haverina amin` ny CUA ny fitantanana ny SAMVA. Milaza ny minisitera tompon’andraikitra fa manana fiara vaventy izy ireo nefa tsy ampiasaina. Ny fangalana ny fako dia anjaran`ny minisiteran`ny rano kanefa nahena ny tetibolany ary ireo kamio ihany koa dia nihena am-pitoerana. Lasa “fako politika” entina hanenjehana ny CUA, hoy hatrany Ramboasalama Emilien. Mivaona amin`ny teniny ny filoha Rajoelina satria raha nandeha ny adihevitra teo amin`ny haino aman-jerim-panjakana teo amin`ny kandidà Ravalomanana sy kandidà Rajoelina dia nilaza ity farany fa raha tonga eo amin`ny fitantanana dia na iza ben`ny tanàna dia ampiana. Mifanohitra amin`izay ny zava-mitranga amin`izao satria fanapotehana ny CUA no ataon`ny fitondrana fa tsy fanatsarana, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.