Ramandimbison Paul

«Esory ny minisitry ny asa vaventy!»


  • Talata 23 Jolay 2024

Mankasitraka ny filoham-pirenena nanaraka ny zavatra noresahanay,

hoy ny raiamandreny avy any Nosy Varika, Ramandimbison Paul, dia ny fametrahana ny praiminisitra. Nilaza moa izahay, hoy izy, fa tsy misy maharaka ny hafainganam-pandehan’ny filoham-pirenena ankoatran’ny praiminisitra Ntsay Christian. Faharoa dia averinay ny fangatahana hoe aoka mba ho minisitra mandray finday, tsy miavona no hapetraka eo. Mangataka ny filoham-pirenena izahay mba hanala an’io minisitry ny asa vaventy io fa tsy misy ilàna an’io. Lazainy fa vita ny lalana mampitohy an’i Vatomandry sy Mahanoro. Inona no vita eo? Andranomafana ka hatraty Ambositra koa lazainy fa vita. Tsy misy lalana vita izany. Esory io minisitry ny asa vaventy io. Ao koa ny minisitry ny fitaterana. Tsy misy ilana azy koa io. Tsy maharaka ny dianao io. Raha azo atao dia esory koa ny minisitry ny rano. Toy izany koa ny minisitry ny fambolena. Aoka mba ho olona mahay sy mahafehy ny asany no ampandraiketina minisitera. Olom-boatendry ireo minisitra ireo fa ianao filoham-pirenena no voafidy. Ireo minisitra ireo no angatahinay mba ho esorina amin’ny toerany amin’izao fanovana governemanta izao. Tsy manery izahay fa ianao no tompon-tsafidy ka mangataka izahay. Ny minisitry ny mponina koa aoka mba tsy ho petatoko. Ao no tena sosialy ka tokony mba jerena hoe aoka izay mahafehy izany no apetraka ao. Ny tena izingiziniko dia ny hoe esory ny minisitry ny asa vaventy, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT