Ramanantsoa Ramarcel Todisoa

> Mila fahaizana sy traikefa ary fahendrena ny fidirana ho Parlemantera


  • Talata 26 Novambra 2013

Tsy ireo olona rehetra te hiditra solombavambahoaka dia afaka hanatanteraka io asa io, araka ny hevi-dRamanantsoa Ramarcel Todisoa.

Tsikaritra tokoa mantsy amin’izao fotoana fa maro ireo kandida ho solombavambahoaka no olona tsy fanta-piaviana ary tsy mahalala akory izay tena asan’ny solombavambahoaka. Asa iray miandry ireo izay ho lany ao aorian’ny 20 desambra izao anefa ny fanaovan-dalàna. Heverin-dRamanantsoa Ramarcel Todisoa izay kandida ho solombavambahoaka atolotry ny antoko Malagasy Tonga Saina ao amin’ny Boriborintany faha-3 fa tena ilaina ho amin’ny fanatanterahana io asa io ny fananana traikefa amin’io resaka fanamboarana lalàna io. Tsy ambakan’izany anefa ny fahendrena satria tokony ho fitaratra eny amin’ny toerana misy azy koa izy ireny na amin’ny fitondran-tena io na amin’ny fifandraisana amin’ny manodidina. «Io fifandraisana amin’ny manodidina indrindra fa ny tanora io no mahatonga ny tenanay hirotsaka amin’ny fikarakarana tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahantena isan-karazany ato amin’ny Boriborintany faha-3  satria ireo tanora ireo no hoavin’ny firenena ka mendrika ny hojerena manokana», hoy Ramanantsoa Ramarcel Todisoa.

 Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT