Nahazo fankasitrahana niavaka sy doka tamin’ireo depiote niisa 20 tonga nanatrika ny fivoriana teny Tsimbazaza omaly ny minisitra Ramanantsoa Benjamina
mpitantana ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa voalaza fa naharesy lahatra an’ireto olom-boafidy ny fomba nanolorany sy nanohanany ilay volavolan-dalàna lah. 043/2015 tamin’ny 11 novambra 2015. Sambany teny amin’ny Antenimieram-pirenena tao anatin’izao Repoblika faha-4 izao no nisy minisitra mba nahazo fankasitrahana niavaka toy izao. Raha ny filazan’ity minisitra ity dia hoe : « Manome hery ny teny fanohanana nataon’ireo solombavambahoaka sy ny nandanian’izy ireo ny volavolan-dalàna voalaza io fa tena lalàna mankarary ny Malagasy eo amin’ny lafiny fananana asa, fampiofanana araka asa, lafiny fampianarana teknika ity vao lany ity. Voalaza mantsy ankehitriny, hoy izy, fa ny firenena matanjaka dia izay manana fampianarana teknika sy fampiofanana araka asa matanjaka ihany koa. Ka ao anatin’ity lalàna vao lany ity dia voarakitra fa isaky ny distrika no hametrahana ny « centre de formation professionnelle » sy ny Lygée technique professionnel izay voafaritr’ity « politique nationale de l’Emploi et de la Formation Professionnelle » ny fanaovana azy. Mamatotra fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy izy, ka misy andininy iray (faha-51) milaza fa tsy maintsy ataon’ny minisitera ny fametrahana ny « plan de mise en œuvre », ny « fonds de financement des formations professionnelles » ary ny « cadre national de certification » amin’ny fametrahana ny expérience.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.