Ramalanjaona Maminiaina, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo sady efa mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina Anosizato Andrefana no kandida Ben’ny tanàna hatolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’ity kaominina iray ity.
Efa tonga any am-pelatanany ny taratasy fanendrena azy handray anjara amin’ny fifaninanana hatao ny 27 novambra ho avy izao raha ny resaka nifanaovana taminy omaly. Anisan’ny tombony ho azy ny fananany traikefa amin’ny maha mpanolotsaina azy eo anivon’ny kaominina Anosizato Andrefana. Efa manana teknika sy paikady hahafahana mampandroso ny tanàna ihany koa ny tenany ka vonona ny hitondra avo ny fanevan’ny antoko TIM sy ny kaominina izay hotantanany. Anisan’ny asa maika hotanterahiny ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka raha vantany vao tonga soa aman-tsara eo amin’ny toerany izy. Lohalaharana amin’ireny ny fividianana fiara mpitondra marary izay omeny hotapahan’ny mpanolotsaina. Betsaka mantsy ireo olona sahirana rehefa manana ny marary tsy maintsy entina miditra hopitaly. Toraka izany ihany koa ny famatsiana rano fisotro madio. Ekena, hoy izy fa maro renirano mandalo eny Anosizato Andrefana ary efa nanana minisitry ny rano ihany koa ity kaominina ity tamin’ny fotoan’andro saingy mbola hilaharana amin’ny 01 ora maraina hatrany ny rano fisotro madio ao amin’izy ireo hatreto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.