Politique

Ralitera Andrianandraina Nitaky ny hamoahana ireo gadra politika


  • Alakamisy 03 Novambra 2011

Anisan’ireo voaasa hanome voninahitra ny famindram-pahefana teo amin’ny praiminisitra teo aloha Albert Camille Vital, sy ny praiminisitry ny marimarira iraisana, Beriziky Jean Omer, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ingahy Ralitera Andrianandraina omaly.

 Nanaitra ny maro, indrindra ny mpanaraka fahitalavitra ny nahita azy tonga teny. Nanazava moa ity talen’ny fiarovana teo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana teo aloha ity, fa nasaina manokana izy amin’ny maha gadra politika voatana ela indrindra tany am-ponja tato anatin’izao tetezamita izao. Nohararaotiny koa ny fahatongavana teny Mahazoarivo nanamafisana tamin’ny praminisitra vaovao, ny fitakiana ny hamoahana ireo gadra politika rehetra mbola voatana am-ponja. «Avoahy ireo gadra politika raha te hanaja ny tondrozotra, ary koa hisian’ny fitoniana politika eto», hoy Ralitera Andrianandraina.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT