Ralitera Andrianandraina

> “Tonga ny fotoana handraisako ny andraikitro”


  • Zoma 08 Novambra 2013

Ralitera Andrianandraina, Talen'ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalŕmpanorenana. Ankehitriny, kandida solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany faharoa eto Antananarivo. Mahatsapa ny tenako ankehitriny fa tonga ilay fotoana handraisana andraikitra hiarovana ny vakoka rehetra, mba hananantsika indray ny hambom-po hijoroana amin’ny maha Malagasy antsika. Dinidinika.

Tia Tanindrazana : Ralitera Andrianandraina, tazana teny Anatirova ianao ny andro nitsingerenan’ny fahamaizany ny 06 novambra teo, misy antony manokana ve ?
Ralitera Andrianandraina : 18 taona tamin’io andro io tokoa no namoizantsika ny tantara sy ny kolontsaina maha malagasy antsika.
Andron’alahelo lehibe ho antsika Malagasy tokoa izany. Ny zava-misy mantsy, raha firenena izay tsy manana tantara  dia vahoaka very fanahy. Indrisy anefa ary tena mampalahelo fa toa iniana vonoina sy fafàna ireny tantaram-pirenena ireny, hany ka zary very sy tsy misy intsony ilay fireharehana maha Malagasy, toy ny fihavanana sy firaisankina, izay fototra hiorenan’ny fiahamonina, ka tsy ho gaga isika raha toy izao ny toe-draharaha eto amin’ny firenentsika.

 

Tia Tanindrazana : Izay ve no nanosika anao hanao politika ankehitriny, sa antony hafa ?
Ralitera Andrianandraina : Tamin’ny ny tenako Talen'ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia nanao ny asako araka ny sata repoblikana ary tao anatin'ny mangarahara manaraka ny rafitra izay mifehy ny mpiasam-panjaka ambony aho dia tsy nankasitrahan'ireo izay naka ankeriny tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny fitondrana izay soatoavina izay. Mahatsapa ny tenako ankehitriny fa tonga ilay fotoana handraisako ny andraikitro araka ny efa nambarako ombieny ombieny hanarenana ny firenena latsaka ao anatin'ny fahasahiranana izao, hanavotana ny Tanindrazana sy hamerenana ny hasina sahaza azy.
Tia Tanindrazana : Tsy vitan’izany fa nirotsaka ho kandida solombavambahoaka mihitsy, fa nahoana ?
Ralitera Andrianandraina : Ampatsiahiviko fa ny nisamborana sy ny nandrobana anay tamin’ny fomba feno habibiana dia tsy ara-dalàna mihitsy ary tsy nisy antony mazava. Roa taona sy tapany tany am-ponja izahay satria niaro ny ara-dalàna. Tany Tsiafahy nampiarahina tamin’ireo voaheloka mandra-pahafaty ary voaheloka ho faty ny tenako nefa tsy mbola voatsara. Maro anefa ny tranga mbola toy izany. Izany rehetra izany dia tsy azo ekena intsony ary manesika ahy hijoro ho vavolombelona fa misy ny tsy rariny. Misy tokony harenina mba tsy hiverenan'ny toy izay. Tsy ilaina intsony ny fitsaran'ny mpandresy sy mitongilana.
 
Tia Tanindrazana : Nisafidy loko roa ianao dia ny mena sy fotsy, miampy sary voromahery hamantarana anao, inona no fonosin’ireo ?
Ralitera Andrianandraina : Ny loko mena dia loko mahery ary loko notoavin'ny Malagasy. Ny loko fotsy dia maneho ny mangarahara. Ny voromahery indray dia mitily ambony, mangina, tsy mihoraka. Mikendry maharitra vao lasa mitsoraka. Tsy mamela mahazo, mahitsy fijery. 

 

Tia Tanindrazana : Nahoana no ao amin’ny Boriborintany faharoa no nirotsaka, ary tsy miankina ?
Ralitera Andrianandraina : Ny fahazazako, ny hatanorako, ny fianakaviako, ireo razambeko dia tao sy teny amin’ny boroborintany faharoa avokoa. Misy moa ilay hoe miankina sy tsy miankina, fomba fiteny avokoa izany. Fa ny zava-misy sy ny marina ary ny tantara dia tsy azo disoina. Raha nisy ny raharaha 2009 dia nijoro ary niaro hatramin’ny farany ny fitondrana voafidim-bahoaka ny tenanay ka niafara tamin’ny fanagadrana ny tenako sy ny vadiko Ihanta Randriamandrato, izay minisitry ny fiompiana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ankehitriny.
 
Tia Tanindrazana : Teny hamaranana ny tafatantsika
Ralitera Andrianandraina :  Ry Malagasy Namako !
 Nahoana no ho menatra ny ho Malagasy ?
 Satria ve nailika nahatakataka
 Satria kilasiana ho foko mpangataka ?
 Tsy mba nanankambo niavo-tena
 Ka zary fanetrin'ity firenena.....!
 .... Ny Malagasy Aloha....
 No haranty ery aloha
 Ny Malagasy Aloha
 No haverin-jo!
 
 JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT