Olona tongatonga ho azy no mitondra ity firenena ity ankehitriny fa tsy mpanao politika, hoy ny Pr Ralison Roger.
Anisan’ny tsy mampandeha raharaha amin’izao fotoana izany. Mpandrahara mpanefohefo tsy mahalala afa-tsy ny fampitomboana ny harena efa ananany no mahita tombontsoa ao. Izaho, hoy izy, dia tsy nety ho lasa praiminisitra fa tsy nanaiky hobaikon’ny Frantsay ka nosongonan-dRavony tamin’ny fotoanandrony. Ankehitriny, raha mba niantso ahy fa manana eritreritra ny hametraka ahy eo amin’izay toerana izay indray ny filoha Rajaonarimampianina dia nanambara fa tsy ho tanteraka izany satria manahirana ny vazaha frantsay ny maha-“nationaliste” ahy. Diniho koa, hoy izy, fa saika olon’ny Frantsay avokoa ny ankamaroan’ireo praiminisitra malagasy nifandimby teto fa izay nitonona ho mpitolona na zanaka mpitolona dia nosoloina avy hatrany ho olon’ny Frantsay. Ampahany amin’izany i Francisque Ravony, Jacques Sylla, Camille Vital, Kolo Roger ... Nasaina nosoloina avy hatrany kosa tamin’ny tetezamita i Monja Roindefo. Raha vao nanala ny praiminisitra Jacques Sylla olon’ny Frantsay ka nametraka ny jeneraly Rabemananjara ny filoha Ravalomanana dia jereo ny nanjo ny fitondrany ? Fehiny, mbola ny Frantsay no mamaritra ny politikam-pitondrantsika ankehitriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.