Politique

Ralison Jaona Mety avokoa ireo olona natolotra ho praiminisitra


  • Zoma 21 Oktobra 2011

“Kilalaon-jaza ve ny raharaham-pirenena sa ahoana ?”, hoy ny CST Ralison Jaona, raha nitondra hevitra mahakasika ny zava-nisy tamin’ny fanaterana ny anarana kandidà ho praiminisitra teny amin’ny Paon d’Or Ivato izy.

 Voalohany, hoy izy, dia nanaiky ny rehetra fa hanao sonia ny tondrozotra. Manaiky ny dikan’izany fa hoe aoka izay ny krizy ka misy ny fifanatonana amin’ny famahana ny olana. Mahagaga anefa, hoy Ralison Jaona, ny filazana fa hoe tsy solontenan’ny ankolafy Zafy indray i Manoro Régis sy i Fanja Lalaina teny Ivato fa tsy manolotra kandidà ry zareo. Tany amin’ny fandinihana ny fampiharana ny tondrozotra anefa dia niara-nidinika tao Atoa Emmanuel Rakotovahiny. Tonga teny amin’ny Paon d’Or koa Atoa Mamy Rakotoarivelo nefa ny teny amin’ny Magro nilaza fa tsy nanolotra anarana ho praiminisitra ny Ankolafy 3.

Iza marina no lazaina fa tsy te hamoaka an’i Madagasikara amin’ny krizy ? Raha ny mahakasika an’ireo olona natolotry ny vondrona samihafa hisafidian’ny filohan’ny FAT, araka ny voalazan’ny tondrozotra, dia nanambara ity CST ity fa mety avokoa izy rehetra ireo rehefa samy vonona tanteraka. Irariana tsy hisy hiroso-hihemotra ireo fa ny ain’ny Malagasy roapolo tapitrisa no eo am-pelatanan’ny mpanao politika. Aoka tsy hohadinoina, hoy izy, fa ao anatin’ny krizy isika, mahamaika ny hivoahana amin’izany mba hametrahana ny Repoblika faha-4.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT