Manoloana ny fitondratena tsy mendrika asehon’ny ambasadaoro frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, anisan’ireny ny fanaganan-tsandry nataony tamin’Atoa, Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana tao amin’ny hotely Colbert ny zoma 28 oktobra 2011, dia nanao antso avo amin’ny governemanta frantsay i Guy Maxime Ralaiseheno ny amin’ny tokony hampodiana an’i Jean Marc Chataîgner. Tsy ny Frantsay no handidy sy hanapaka eto, hoy i Guy Maxime. Tsy azo ekena ny fanosihosena ny zo maha olom-pirenena nataon’i Jean Marc Chataîgner, hoy ihany izy. Efa an-taonany maro no niadian’ny Malagasy ny tsindrihazolena ka tsy azo averina eto izany.
Momba ny raharaham-pirenena indray dia nohamafisin’ity Ben’ny tanànan’Ankaraobato ity ny tokony hanaovana fanadihadiana ara-pitantanana teny anivon’ny andrim-panjakana sy ministera samihafa manomboka eto hampibaribary ny marina tao anatin’izay telo taona izay. Raha ny nambarany dia kaontenera 56 isa indray no sarona any Toliara any, tsy mbola fantatra hoe an’iza ireo harem-pirenena norobaina ireo. Nomarihiny ihany koa fa efa foana avokoa ny rafitra rehetra najoron’ny FAT tao anatin’izay telo taona izay, araka izay voasoratra ao anatin’ilay sori-dalana, koa tsy mitombina ny fandrahonan’i Andry Rajoelina fa miandry an-dRavalomanana ny fitsarana. Raha ny tena izy aza, araka ny fanazavana dia i Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy no miandry fitsarana satria manongam-panjakana ary tsy ny lalàna malagasy ihany no manasazy izany fa ny iraisam-pirenena ihany koa.
Nangonin’i Soa
Sary : Ralaiseheno Guy Maxime, Filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.