Politique

Ralaiseheno Guy Maxime Mazava ny resaka !


  • Talata 18 Oktobra 2011

Betsaka ny mpanao politika “friperie” eto, hoy ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato, Ralaiseheno Guy Maxime, raha nandray fitenenana tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly.

 Izany no nahatonga ny filoha Marc Ravalomanana nitondra fanovana teo amin’izay fanaovana politika izay, hoy izy nanamafy. Notsipihany ihany koa fa tsy olom-boafidy ary tsy misalotra ny anarana maha filohan’ny Repoblika azy i Andry Rajoelina. Tsy nisy Repoblika nanendry azy teto, hoy izy fa tetezamita isika izao. Raha ny fahitan’ity mpanao politika ny asam-panjakana Malagasy dia marary izany sehatra izany, raha ny fanazavany. Nasiany resaka moa ny momba ny sori-dalana. Nambarany fa mazava ny resaka, mody tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana ! Mitaky andraikitra avy amin’ny tsirairay anefa izany dia ny fampandaniana azy hitondra ny Repoblika fahefatra.

Nohamafisin’ny depiote Tiako I Madagasikara, voafidy tao Brickaville, Leva Manahira, fa tsy hisy fitoniana izany eto raha tsy tafaverina ny filoha Marc Ravalomanana. Ny Malagasy mahatsiaro ny soa nataony no tsy manaiky ka mitaky ny fiverenan’i Dada, hoy ity solombavambahoaka ity. Efa neken’i Andry Rajoelina sy ireo rehetra nanao sonia ny sori-dalana ny andininy faha-20 dia ny hodian’ireo sesitany politika tsy misy fepetra, ao anatin’izany ny filoha Ravalomanana, hoy izy. Noho izany, aoka izay ny paipaika politika madinika. Ireo “zanany”, hoy ny depiote Mektoub no masoivohon-dRavalomanana eto an-toerana.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT