Ankoatra ny fandalovana sy ireo mpanara-dia azy tsy tapaka etsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka dia mitohy tsy tapaka miraka amin’izany koa ny fitetezana Fokontany eny amin’ity Boriborintany hirotsahany ho kandidà ity ho an’ny kandidà Ralaimampiasainarinony natolotry ny GTT ka nahazoany toky mazava avy amin’ny vahoaka nandalovany teny. Marihina fa anisan’ny manohana marindrano ny kandidà ho filoham-pirenena Robinson Jean Louis ary tsy mbola miala amin’ny tarigetra nitolomana hatramin’izay efa-taona mahery izay dia ny famerenana an’i Dada an-tanindrazana. Manakoako manerana ny Boriborintany faha-5 ankehitriny ny teny filamatra : “Aza matahotra… Manoela no fehizoro tsara ho solombavambahoakan’ny Boriborintany faha V”.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.