Ralaiarimanana

«Raha vao ny vola no manjaka dia ratsy ny vokatra»


  • Talata 01 Oktobra 2024

Misy demokrasia marina ve eto Madagasikara, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana?

Nohasarotina, hoy izy, ny filatsahana ho fidiana ben’ny tanàna ary efa hita koa izany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Faran’ny sahirana amin’izao ny any Ambanivohitra. Olona manam-bola na zanaka am-pielezana amin’izao fotoana no matetika lasa ben’ny tanàna na mirotsaka ao amina tanàna iray. Sahirana ireo olona mirotsaka, izay tena azo lazaina hoe ao amin’ny tanindrazany, na dia manana fotokevitra tsara entina mampandroso ilay faritra misy azy aza. Tsy afaka milatsaka koa izany ankehitriny noho ny fahasarotana. Eo ny ara-bola, eo ny resaka 211bis sy ny karazany. Sahirana ny olona tsotra fa ny kandidam-panjakana kosa hita hoe mandeha ho azy ny azy satria izy aza anaty fitondrana. Mety hiteraka olana ao aoriana nefa izany satria rehefa tsy manana fahalalahana ny olona, satria lasa karazan’ny very zo ihany izany izao rehefa tsy manam-bola, satria tsy afaka hampandroso ny faritra misy azy na dia manana ilay heritreritra sy fahaizana aza. Betsaka ankehitriny ny tanora manana fahaizana sy fahalalana fa rehefa tsy misy tohana ara-bola dia karazan’ny olona bado sy tsy mahay na inona na inona ihany. Ireny anefa no hoavy. Raha vao ny vola no manjaka dia ratsy ny vokatra satria ny vola no fototry ny ratsy rehetra. Ireny fanakanana an-kolaka ny kandida sasany tsy hirotsaka ireny dia mampiseho hakanosana sahady. Hiteraka alahelo amin’ny malagasy ireny ary hanome vahana fitiavan’olona iray ihany koa. Inona no tokony hatahoran’ny fanjakàna? Aleo ny vahoaka no hitsara, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT