Ralaiarimanana

«Mila olona mijoro sy mahakarakara azy Antananarivo»


  • Alarobia 21 Aogositra 2024

Efa mandinika ny vahoakan’Antananarivo, izay mifototra amin’ny zava-drehetra misy eto Madagasikara,

hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Mahalala ny tokony hifehezana izany tanànan’Antananarivo izany izy, hoy ity mpandinika ity naneho ny heviny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo, izay niteraka resabe tato ho ato. Mendrika an’Antananarivo ve izao zava-misy eto Antananarivo izao? Ho avy ny fahavaratra, hanao ahoana indray ny fotaka sy ny rano eto Antananarivo? Mila olona mijoro sy mahakarakara azy Antananarivo. Manentana ny rehetra hoe mahaiza mifidy amin’ity indray mitoraka ity fa ity no fanavotana ny firenena ary fanavotana ihany koa an’Antananarivo. Renivohitr’i Madagasikara i Antananarivo. Fototra ijoroan’ny zava-drehetra i Antananarivo. Eto koa no miainga ny fampandrosoana, indrindra, ny toekarena. Raha misy ny tolona dia eto Antananarivo foana no iaingan’ny zava-drehetra. Izany no mahatonga ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany hijery ny renivohitra aloha. Ny renivohitra no fitaratra. Ny resaka hoe anto-bola 20 tapitrisa Ariary ankehitriny no takiana amin’ireo izay te hilatsaka ben’ny tanàna eto Antananarivo, raha toa ka 12 tapitrisa tamin’ny 4 taona lasa, dia heverina fa paikady avokoa izany hikarakarana ilay fifidianana nefa ahitana endrika fanilikilihana ireo tsy manam-bola ihany koa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT