Rakotozandrindrainy Raphael

> Mampahafantatra ny vahoakan’Ambositra ny asan’ny depiote


  • Alakamisy 14 Novambra 2013

Manan-danja eto Madagasikara io fifidianana solombavambahoaka hatao ny 20 desambra hoavy izao io, hoy ny kandida depiote ao Ambositra natolotry ny antoko AMI na Asoavintsika Miaraka i Madagasikara, ny Dokotera Rakotozandrindrainy Raphaël omaly alarobia 13 novambra raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Nambarany ombieny ombieny amin’ireo vahoaka isam-pokotany sy isaky ny Kaominina tsidihany ao amin’ny Distrikan’Ambositra fa zava-dehibe ny asan’ny depiote mahazo ny maro an’isa ho voafidy eo satria avy amin’izy ireo no hivoahan’izay ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Ny governemanta no hanao ireo asa fampandrosoana rehetra eto Madagasikara ka mila misafidy tsara izay depiote mendrika izany ny vahoaka Malagasy isaky ny Distrika hoy ny tenany. Ho an’ity kandida ity manokana dia efa vonona hiatrika ny fifidianana amin’ny 20 desambra io izy sady sahy hisedra ny safidim-bahoaka ao amin’ny Distrikan’Ambositra. Nijoro tamin’ny volana aprily 2013 ny antoko AMI, manana foto-kevitra mivoy ny fanabeazana, fahasalamana, fandriampahalemanana ary fanomezana asa ny tanora. Tsy mbola manohana olona amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny antoko AMI.

 

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT