Miatrika fivoriana mandritra ny telo andro nanomboka omaly talata, ny Filankevitra monisipalin´i Toamasina.
Mikasika ny fitantanana ny Kaominina sy ny famakiana ny tatitry ny fanadihadiana nataon´ny kaomisionina manokana mikasika ny fitantanana ny Kaominina, no anton’ny fivoriana ary nanasan´izy ireo ny PDS Rakotovao Mariot sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo ao anatin´ny mpanatanteraka rehetra. Taorian´ny fifanazavana teo amin´ny mpanolotsaina sy ny ekipan´ny PDS Rakotovao Mariot, dia niroso tamin´ny latsa-batom-pitokisana miafina ny mpanolotsaina. Tamin´ireo mpanolotsaina niisa 15 tonga, fa ny 04 nandefa fialan-tsiny, dia lany 100% ny “fampiatoana amin´ny asany” ny PDS Rakotovao Mariot araka ny didim-pitondran’ny mpanolotsaina laharana 025/CM/CU/TOA ny 18 oktobra 2011.
Ny Filohan´ny mpanolotsaina, Atoa Randria Jean Baptiste, no nanambara tamin’ny mpanao gazety, fa “ny lalàna velona, dia ny “Fascicule IV” mifehy ny Kaominina no narahina tamin’ny fandraisana ny andraikitra nampiatoana ny PDS tamin’ny asany izao”. Araka ny fanazavany hatrany dia efa enim-bolana izy ireo no nandinika ny zavatra horaisina sy nanao ny fanadihadiana. Efa nohainoina koa ny PDS sy ny mpiara-miasa aminy, toraka izany koa ny mpiasa ary ny vahoaka. Raha ny lalàna izany dia manana valo andro ny eo anivon´ny lehiben´ny distrikan´i Toamasina I hamoaka ny fanapahan-keviny amin’ny fankatoavany izany. Manana 26 andro kosa ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana.
Miteraka adihevitra goavana ity raharaha ao Toamasina ity izao. Re mantsy fa tafiditra ao hatramin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, nefa ny Kaominina raha ny lalàna dia eo ambany fanaraha-mason’ny ministeran’ny atitany. Ilay didim-panjakana manendry ny PDS ny volana jona 2010 no entiny hiarovan-tena ankehitriny, satria didim-pitondrana no noraisin’ny Filankevitry ny Kaominina. Raha ny voalazan’ny didim-panjakana nametraka ny PDS anefa dia milaza fa mpanatanteraka ny tenany, noho izany manana zo manara-maso ny asany ny mpanolotsaina, ary mandray ny sazy mifanaraka amin’izany raha misy ny tsy mety ; ary ireo didy fankatahaka (jurisprudence) noraisin’ny mpanolotsaina koa dia efa nahitana tamin’ny naha-PDS-n’Antananarivo an-dRtoa Ratsivalaka Michèle, sy tamin’i Gagay Bonot tao Toamasina. Raha nanontaniana ny heviny ingahy PDS tamin’ny antso an-tariby, dia nambarany fa “bluff politique” ireny zava-nitranga ireny. Ny tantaran´Atoa Rakotovao Mariot anefa dia ity no asam-panjakana faharoa nampiatoana azy tao anatin´izao fitondrana tetezamita izao. Efa minisitry ny tontolo iainana, tao anatin’ny governemanta Monja Roindefo mantsy izy nialoha ny naha PDS azy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.