Politique

Rakotovahiny Emmanuel : Tsy misy governemanta ara-dalŕna izany eto


  • Zoma 22 Janoary 2010

Hovitaina ato anatin’ny hateloana ny fihaonan’ireo ankolafin-kery malagasy amin’ny GIC, araka ny fanazavan’ny filoha mpiara-mitantana, Emmanuel Rakotovahiny.

 

Anisan’ny fanontanian’ny mpanao gazety taminy ny taratasy nalefa tany Copenhague ka nanampy trotraka ny disadisa teo amin’ireo mpiara-mitantana ny tetezamita sy Ingahy Andry Rajoelina. Taratasy fampahatsiahivina fotsiny ihany iny, hoy ity mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert ity. Fanontaniana no napetrany raha karazan-javatra toy izany no hamonoana olona 20 tapitrisa. “Sikidy mila voatsiary” izany, hoy Rakotovahiny, tsy naka sarotra. Momba ny fisiana didy fampisamborana indray dia nilaza Ingahy Rakotovahiny fa “tsy mitombina izany”. Ankoatra izay dia nasian’ity filoha mpiara-mitantana teny ihany koa ny momba izay mety hidiran’ny Sadec na tsia. “Isika Malagasy no tokony hitady vahaolana amin’izay olana rehetra eto, rehefa tsy vita dia hiditra ny Sadc.” Momba ny fifidianana indray dia nambarany fa “tsy misy governemanta ara-dalàna mijoro izany eto. Tsy misy governemanta afaka hanao na hikarakara fifidianana eto”, hoy ihany izy. Voakasiky ny zava-misy daholo ny faritra rehetra, hoy Rakotovahiny. Tsy hoe tsy te hanao fifidianana izahay, hoy izy, fa fifidianana madio, mangarahara ary hatao ao anatin’ny ara-dalàna no takiana.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT