Rakotonirina Jean Dieu

Nirotsaka ho depiote ao amin’ny Boriborintany faha-6


  • Talata 09 Aprily 2024

Anisan’ireo kandida hofidiana ho solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo Atoa Rakotonirina Jean De Dieu na Tonton Dédé.

Omaly ny tenany no nandrotsaka ny taratasy firotsahan-kofidiana teny amin’ny OVEC. “Ny antony nandrisika ny tenanay hanao izany asa masina, hisolo tena ny vahoakan’Ambohimanarina izany ka nirotsohanay ho kandida mahaleo tena, tsy miaraka antoko politika na natolotry ny antoko politika fa mandeha amin’ny anaran’ny tenanay, dia ny mba tena ho solombavambahoaka marina, hitondra ny tenin’ny vahoaka, hisolo tena ny vahoaka; hanao ny asa solombavam-bahoaka araka izay voalazan’ny lalàmpanorenana, hanatanteraka izany am-pahamarinana sy am-pahintsiana”, hoy izy. Momba ny zava-misy mahazo ny vahoaka, tahaka ny amin’ny sehatra rehetra, hoy izy, dia tokony hojerena ny sosialim-bahoaka satria iaraha-mahafantatra ny fahoriam-bahoaka ankehitriny. Mety misy ihany ny asa madinidinika amin’ny fanamboarana madinidinika satria mba manana fanomezam-pahasoavana amin’ny maha injenieran’ny asa vaventy ny tena, hoy hatrany ity kandida ity.
Nangonin’I Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT