Notsofin’ireo ray aman-dreniny niteraka tsirairay avy niaraka tamin’ireo raiamandreny to teny, raiamandrenim-piangonana, lehiben’ny Fokontany ary solontenan’ireo vahoaka ao amin’ny Distrikan’Ambositra rano ny MCT Rakotomandimby Désiré na Radezy ny sabotsy 16 novambra lasa teo tao Ambositra. Nankatoavin’ireo sokajin’olona maro ny firotsahan-kofidin-dRadezy ho solombavambahoakan’Ambositra noho izy efa fantatry ny olona ny asa nataony sy ny fiarahany tamin’ireo tantsaha. Dimy mirahalahy no miaraka aminy ao anaty lisitra dia Andrianarivo Jacquot Alexandre (Ambositra), Rakotonandro (Ambohimitombo-II), Raveloson Doris (Ambinanindrano), ary Randrianarisoa Alfred (Ambositra-II). Nambarany fa hamaly ireo hetahetan’ny vahoakan’Ambositra hisian’ny fampandrosoana no antony nirotsahany ho kandida depiote.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.