Rakotomandimbindraibe Mamisoa

> Hoavy mamirapiratra ny fahalanian’ny Dr Robinson


  • Zoma 08 Novambra 2013


Nisaotra sy nankasitraka ny vahoakan’Ambatolampy tamin’ny fandraisany anjara mavitrika tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana voalohany natao ny 25 oktobra iny, ny MCT Rakotomandimbindraibe Mamisoa voatendry avy amin’ity distrika ity sady kandidà ho solombavambahoaka ao an-toerana koa. Nisaotra manokana an’ireo izay nametraka ny fitokisany tamin’ny kandidà Robinson Jean Louis ny tenany. Ekena, hoy izy, ny tsy fahampiana ara-pitaovana sy ny enti-manana fa tsy nahasakana ny fitiavan’ny vahoaka hanana sy hamerina indray ny hajan’ny firenena sy ny lazan’i Madagasikara ho an’ny hoavy mamirapiratry ny taranaka faramandimby. Tsy mbola vita ny tolona, hoy ny MCT Mamisoa, ka mbola iantsoana ny rehetra hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra hatrany amin’ny Dr Robinson Jean Louis amin’ny filoham-pirenena mba hananganana firenena vanona anjakan’ny fihavanana sy firaisankina anaty fiainana mamirapiratra

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT