Politique

Rakotomalala Henry na Riribe “Ry mpitondra, tsy mbola tara izao”


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Ho entinareo ho aiza i Madagasikara rehefa avy nopotipotehinareo sy nampahantrainareo? hoy ny mpanao politika Rakotomalala Henry na Riribe.

Malahelo ny fireneko aho satria lasa mpizara vary masaka amin’ny vahoaka sisa ilay filoham-pirenena malagasy nilokaloka fa hampindram-bola an'i kaomoro afaka 5 taona, hoy izy. Bokan-trosa ny firenena malagasy ary mahantra fadiranovana ny vahoaka manerana ny nosy. Tsy fizarana vary masaka mandalo indray andro no atao hoe sosialim-bahoaka fa ireto sehatra manaraka ireto dia ny fahasalamam-bahoaka, fampianarana, fampiakarana ny fahefa-mividin'ny isan-tokantrano, fambolena sy fiompiana, fandriampahalemana, toekarena misandratra, fanamboaran-dalana, fanomezana asa ny tanora. Tsy misy fanantenana intsony ahavita izany izao fitondrana izao. Aza fitahinareo ny vahoaka! Tsy sahy mandray fanapahan-kevitra hiditra amin’ny fifidianana ny mpanatanteraka noho ny olana ara-bola. Miady an-trano ny ao anaty fitondrana ary mifamely sy mifanaratsy ary misy ireo efa manomboka mitady varavarana hivoahana sao tratra farany ao. Misy ireo miara-miasa amin’ny rosianina ka saro-piaro amin’ny fihazonana ny praiminisitra ankehitriny sy ny ekipany ary ao ireo saribakolin'ny amerikanina sy ny frantsay. Ao ireo mitaky mba ho avy amin'ny faritany misy azy no atao praiminisitra. Ao ireo manamboninahitra sy solombavambahoaka mpiara-mitolona fahiny mampiaka-peo mahatsiaro voahilikilika. Mikorontana ambony ambany ny fomba fitantanana ny firenena. Ny PTF mpamatsy vola ny fifidianana nihemotra satria tsy vita ny fikaonan-doham-pirenena andraisan'ny herivelona rehetra anjara antoky ny fitoniana. Ry mpitondra, tsy mbola tara izao, tanteraho ny fikaonan-doham-pirenena mba hivoahanareo amin’ny varavarana malalaka sy enti-mandamina ny firenena fa efa tsy tafavoaka intsony ianareo. Miangavy ny CENI koa izahay mba hanam-pahasahiana hilaza na efa voavory na tsia ny vola hanaovana fifidianana ary iza no namatsy raha nisy izany. Manao antso avo amin’ny herivelona rehetra mpanohitra izao fitondrana izao mba hanambatra ny heriny hitsangana hamonjy ny vahoaka malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT