Politique

Rakotomalala Henry na Riribe “Ny olona mahay mandray toriteny no ho voavonjy”


  • Talata 17 Janoary 2023

Ny toriteny dia tsy tokony ahatezitra fa entina hanitsiana ny tsy mety atao raha tena Kristianina isika, hoy ny mpanao politika, Riribe na Rakotomalala Henry.

Ao amin’ny Asan'ny Apostoly 2:37 dia voasoratra hoe "Ary raha nandre izany ny olona dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’i Petera sy ny apostoly namany hoe ry rahalahy, inona no hataonay ? Ary hoy Petera taminy, mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo ary ianareo handray ny fanomezana dia ny fanahy masina". Ny olona ho voavonjy ara-pinoana dia ny olona mahay mandray ny toriteny ka manetri-tena miaiky ny helony sy mifona amin'I Jesosy Kristy Tompo amin'ny tsy mety nataony ka mibebaka, hoy ity mpanao politika ity. Ny olona ho very kosa dia ireo izay mihevitra ny tenany ho marina lalandava na dia efa hita miharihary aza fa mankany amin’ny fahaverezana ny lalan-kalehany. Mbola famonjena antsika olombelona Ireny toriteny ireny hanitsiana ny dia fa tsy natao ahatezitra sy hampisafoaka. Mahaiza maka lesona, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT