Politique

Rakotomalala Henry na Riribe “Mpanao sinema loatra ity fitondrana ity”


  • Talata 15 Novambra 2022

Mirona loatra mankany amin’ny fahapotehan’ny firenena ny zava-misy iainantsika vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.

Tsy ny ataon’ny mpitondra ihany no mirona any, hoy izy, fa ilay fomba amam-panaon’ny malagasy. Ilay maha malagasy mihitsy no potika tanteraka. Hanjakan’ny vahiny ny firenentsika. Ilaina ny fifohazan’ny vahoaka malagasy. Heverinay fa fotoana izao tokony hifoazan’ny vahoaka malagasy rehetra tia tanindrazana hijoro hanavotra ity firenena ity. Tsy maintsy apetraka eto amin’ny firenena ny fikaonandoham-pirenena. Ny olana dia ny enti-manana fa izahay tsy toa an’ny sasany mandadilady mangataka any amin’ny fianakaviambe iraisampirenena. Raha haka vola any hanaovana fikaonandoha iraisampirenena isika dia misy fepetra ho apetrany. Tsy hiresaka lalampanorenana mihitsy ny fianakaviambe iraisampirenena fa lalam-pifidianana dia vita. Ny lalampanorenana mihitsy nefa no tena fototry ny olana eto. Io lalampanorenantsika ankehitriny io sy izay nifandimby teto dia nalain-tahaka avy amin’ny firenena mpanjanaka. Tsy lalampanorenana mankany amin’ny fampandrosoam-pirenena io fa mankany amin’ny fahapotehana ary izao mbola hitantsika izao, 60 taona izay, dia mbola anaty fahantrana isika. Miantso ny vahoaka malagasy hoe andao hasehontsika izao tontolo izao fa tia tanindrazana isika. Mila miova mifanaraka amin’ny foto-pisainana malagasy antsika io lalampanorenana io. Vitan’ny malagasy izany resa-bola izany na samy handoa 100 Ariary isan’olona aza. Ny any amin’ny faritany moa dia efa vonona ho an’ny taranaka fara-mandimby. Tsy maintsy apetraka izany fanovana lalampanorenana izany raha tiantsika ny handroso. Eo koa ny fametrahana ny fampihavanam-pirenena mba ho tena olompirenena miorina anaty fifankatiavana fa tsy fifanenjehana sy fifanaratsiana no misy. Tsy mitaky fotoana maharitra izany. Raha miziriziry ny fitondram-panjakana dia aleo ny vahoaka no hanapa-kevitra. Ahoana moa no hisy hitifitra nefa olona matanjaka be toy ireny,miliaridera, mpitondra fanjakana, eo am-pelatanany ny fahefana rehetra? Sao dia mba sinema toy ny Apollo 21? Asa iza indray no manaraka atao izany? Sinema efa fantatr’olona izany. Manao izay fomba rehetra hanodinana ny sain’ny malagasy tsy hahafantatra ny fahantrany sy ny nampahantra azy. Iaraha-mahalala fa tsy nisy vitany izay nampanantenain’io ben’ny tanàna io. Nikatona daholo ny lalana ny alahady. Ahoana no tsy nahatrarana izany nitondra moto izany? Mpanao sinema loatra ity fitondrana ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT